Fanohanana ara-bola sy ara-pianarana ho an’ireo ankizy sahirana ao amin'ny Faritry Menabe

Tratran’ny fahantrana amin’ny endriny maro ny mponina any ambanivohitra any amin’iny faritry Menabe iny. Matetika no tsy ampy ny vola ividianana sakafo, indrindra fa ny ividianana vary, izay foto-tsakafon’ny malagasy. Ankoatran’izay dia mbola mampiasa kitay ny maro amin’ny fandrahoana ny sakafo. Maro amin’ireo tokantrano no matsaka rano alavitra nohon’ny tsy fisian’ny rano fisotro tonga any an-trano. Maro amin’ireo trano sady tsisy efitrano fidiovana no tsy misy jiro. Ireo lazaina fa fandrosoana ara-teknolojia, izay manamora ny fianana andavanandro dia toy ny rendrarendra ka takatry ny fahefa-mividin’ny maro. Maro amin’ireo finday ampiasain’ny olona any amin’ny faritra Menabe no efa azo lazaina fa antitra, tsy manaraka ny teknolojia vaovao. 

Fambolena sy fiompiana no iveloman’ny maro an’isa amin’ny mponina any amin’ny faritra Menabe. Raha ny toetrandro no resahana dia manomboka ny volana mey ka hatramin’ny oktobra dia mafana sy maina, ny fotoam-pahavaratra kosa dia voamarika amin’ny orana be sy rivo-dova, izay mahery vaika nohon’ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro eran-tany. Ny fisian’ny hain-tany matetika nandritra ny taona maro dia manasarotra ny fambolena vary. Ny tsy fisian’ny fandriampahalemana any ambanivohitra nohon’ny fanafihan’ny dahalo dia nanova ny fiompiana omby, izay lasa atahorana tato an’ny taona vitsy.

Fahasimban'ny natiora

Misy ala mikitroka lehibe indrindra any Madagasikara any amin’ny faritra Menabe. Ilay faritra voaaro ao Antanimena (“Aire Protégée Menabe Antimena”) dia eo amin’ny 65.000 ha ary misy karazan-javamaniry sy biby miavaka. Maro amin’ireo kazana biby no any amin’ny faritry Menabe ihany no ahitana azy. Atahorana ho lany tamingana ireo zava-maniry sy biby ireo amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ilay gidro kely indrindra eran-tany antsoina hoe Madame Berthe. Tilitilivahy no anarany amin'ny teny Malagasy.

 

Vokatry ny tsy fahampian’ny fidiram-bola dia tsy mana-tsafidy ny maro hamelomany ny vady aman-janany, hany ka lasa tsy maharitra ny fiarovana ny harena voajanahary. Ny fitrandrahana tsy ara-dalana sy ny fiotazana ny vokatry ny ala ary ny fihazana biby ao anatin’ireo faritra voaaro (valan-javaboary) dia anisan’ny manimba ala voanjanahary any amin’ny faritra Menabe. Ny fampiasana ny tavy mba ahazoana tany azo ambolena, sy ny fiompiana omby dia mampihena ny velaran’ny ala voajanahary dia mampihena ny isan’ireo zava-mananaina miavaka any amin’ny faritra iny.

Fanabeazana no fomba iray hialana amin’ny fahantrana

Mba hahafahan'ny mponina ao amin'ny tanana ao anatin'ny valan-javaboary (Aire Protégée Menabe Antimena) sady miala amin'ny fahantrana no miaro an'io tontolo iainana tsy manam-paharoa io dia mila mamorona tombontsoa vaovao ho an'ny taranaka ho avy. Toy ny hita manerana ny faritra eraky Madagasikara dia ny ankizy no maro an’isa any amin’ny faritra Menabe. Maro amin’ireo ray aman-dreny any ambanivohitra no tsy afaka mandefa ny zanany any an-tsekoly mba hahafahana manome ho avy tsara kokoa nohon’ny misy amin’izao fotoana izao. Misy fiatraikany amin’ny fahaizan’ny mpianatra ihany koa ny fahantrana sy ny tsy fahampiana ara-tsakafo satria raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy.

Fanohanana ara-bola ho an’ireo ankizy ao amin'ny Faritry Menabe

Izahay ato amin’ny Nirina e.V. dia te hanampy ireo mpianatra sahirana any amin’ny faritry Menabe amin’ny alalan’ny fanohanana ara-bola. Ny mpikambana iray ato aminay dia mankany any amin’ny Faritra Menabe saika isan-taona efa nandritra ny taona maro. Mahafantatra tsara ny zava-misy any izy ary manana fifandraisana amin’ireo olona sahirana ara-pivelomana mipetraka ao anatin’ny vala-javaboary.

 

25 Euro isam-bola fotsiny dia efa ahavitana manohana manampy ireo ankizy ireo hianatra any an-tsekoly. Tafiditra amin’ny ho laniana amin’izany ny saram-pianarana isam-bolana sy ny fitaovam-pianarana ary ny sakafo kely omena ireo ankizy. Efa misy olona miara-miasa aminay any an-toerana hikarakara an’izany any. Izy no hanara-maso ny fampiasana ny vola sy mifandray manokana amin'ireo ankizy tohanana ary hanome ny vaovao momba ireo ankizy ho an’izay manampy.

 

Mazava ho azy fa tsy manda fa mandray na ny fanomezana manokana na ny vola kely noho io voalaza eny ambony io izahay. Angoninay izany mba hanohanana ny fianaran'ny ankizy hafa na handoavana ny fandaniana fanampiny (ohatra ny fitsaboana ilaina ho an'ny ankizy).

Mba hahafahana manampy ireo ankizy ireo dia afaka mandrotsaka vola ao amin'ity kaonty ety ambany ity ianao. 

Nirina e.V.

IBAN: DE75 1005 0000 0190 5652 92 

BIC:  BELADEBEXXX

Bank: Berliner Sparkasse

Verwendungszweck: Schulpatenschaften in Menabe