Fangatahana fanampiana

Ireo ankizy avy ao amin’ny fokontany Belamoty akaikin’i Beroboka, izay tianay hampiana ara-bola mba hahafahany mandeha mianatra any an-tsekoly.

Ireo ankizy avy any ankavia miankavanana dia Veste, Joseph, Firaciny, Sorlette ary Patricia, ny miaraka amin-dry zareo eo amin'ny sary dia ireo havany izay mikarakara azy ireo amin’izao fotoana izao.

Ireto ny ho ataonay mba hahafahan'ireo ankizy ireo mandeha any an-tsekoly sy ny hanomezana azy sakafo

Ireo ankizy ireo dia mipetraka ao Belamoty, tanàna kely iray, izay kilometatra vitsivitsy miala an’i Beroboka. Misy ny sekoly katolika ao amin'io tanana misy an-dry zareo io. Ireo ankizy dimy aloha izao no tianay hanombohana ny tetikasa. Mba hahazoana antoka fa handeha ho any an-tsekoly isan'andro izy ireo dia homena sakafo izy sy hanofa trano azony ipetrahana ary hisy olona hikarakara azy amin'ny fotoam-pianarana. Ankoatran'ny fialana amin'ny dia an-tongotra efa ho 10 km ataon'ny ankizy isan'andro dia manamaivana koa ny asan'ilay mpitaiza ao Belamoty ankehitriny izany. Etsy ankilan'izany ilay fanohanana ara-bola (parrainage) dia miantoka fandehanan'ireo ankizy ireo any an-tsekoly mba tsy handehany hiasa any an-tsaha. Hisy vehivavy avy any Beroboka no hikarakarana ny ankizy ka homena karama izy amin'izany.

 

Manana mpandrindra azo ianteherana eo amin’ilay toerana izahay izay mandray tambiny noho ny fitantanana ny fanomezana sy ny fandaniana isan'andro. Izy ihany koa no mikarakara ny fanofana ny trano sy mandoa ny vola amin’ny fikarakarana ny ankizy ary manao tatitra amin’ny mpamatsy vola momba ny fivoaran’ny fianaran'ireo ankizy ireo.

Ity dia fihaonana tamin'ny mpiantoka telo. Hitantsika eo ankavia eo anoloana i Rode Phinne, ao ambadika i Claire, aoriana somary takona kosa dia i Rasoa. Izy ireo dia nandeha an-tongotra nankao Beroboka niaraka tamin'ny ankizy ny sasany. Eo amin’ny ankavanan’ny sary kosa no ahitana an'i Edmond, izay mandrindra sy mitantana ny fanomezana eny an-toerana ary mampiasa izany mba handoavana ny fandaniana andavanandro toy ny saram-pianarana, hofan-trano sy fitaovana enti-mampianatra ary koa ny sakafo.

Raha te hahalala bebe kokoa momba ireo ankizy ireo ianao dia tsindrio eo amin'ny sary.

Mba hahafahana manampy ireo ankizy ireo dia afaka mandrotsaka vola ao amin'ity kaonty ety ambany ity ianao

Nirina e.V.

IBAN: DE75 1005 0000 0190 5652 92 

BIC:  BELADEBEXXX

Bank: Berliner Sparkasse

Verwendungszweck: Schulpatenschaften in Menabe