Ny tetikasa tanterahan'ny Nirina e.V. amin'izao fotoana izao dia ny fanampiana ireo mpianatra sahirana ao amin'ny Faritry Menabe: "Fanohanana ara-bola sy ara-pianarana ho an’ireo ankizy sahirana", "Fangatahana fanomezana 2024".
Nirina e.V. dia fikambanana kely iray alemà-malagasy izay manana tetik'asa sy faniriana goavana ary manome hasiny ny asa fifanampiana amin'ny fampandrosoana.
Aminy dia ny olona ihany no mandray fanapahan-kevitra hoe: "inona avy no zava-dehibe ho amin'ny fampandrosoan'ny rehetra?"
Resy lahatra Nirina e.V. fa tsara indrindra raha anontaniana izay tena ilainy ny olona mba ahatongavana miaraka amin'ny tanjona.
Manohana amin'ny alalan'ny tetik'asa madinika izay mety hahasoa ireo olona Nirina e.V. Izany dia mba ahafahana manetsika ireo olona ireo hanatsarany ny toe-piainany amin'ny herin'ny tenany sy hihatahany lavitra samirery ny fahantrany.
Ny asa tanterahina ao an-toerana any Madagasikara dia voarafitra sy voapetrak'ireo fikambanana malagasy sy tsy miankina amin'ny fanjakana.
Toy izao ary ny endriky ny fanampiana:
Tarigetran'ny fikambanana ny ahatsapana ny fihenana maharitra ny fahantran'ny mponina any an-toerana indrindra fa ny any ambanivohitra. Amin'ny alalan'ny fandraisana fepetra mivaingana hanatanterahana ny tetik'asa fanampiana ho amin'ny fanampiany ny tenany no ahafahantsika mamaha ny olana mianjady ireo fianakaviana mahantra ireo.
Tanterahina amin'ny karazana fanohanana maro ny tetik'asa toy ny tetik'asa
Ireo vondron'olona mahantra no ampiana amin'izany indrindra moa fa ny ankizy, ny tanora, ny fianakaviana sy ny tantsaha
Irinay ho tratrarina izany tarigetra izany amin'ny alalan'ny:
ao amin'ny toerana hanaovan'ny Nirina e.V. ny tetik'asa.