Tamin’ny "Fête des Lémuriens" tamin‘ny 30 oktobra 2024 dia nisy lalao baolina kitra notanterahana tao Kiboy ka ny ekipa Kiboy + Tsianaloka no nifandrina tamin'ny ekipa Tsitakabasia + Tsimafana tamin'ny lalao famaranana. Nadresy 1:0 ny ekipa Kiboy + Tsianaloka tamin'izany. Nohon’ny hafanana efa ho 40°C dia nahena 60 minitra fotsiny no nilalaovana. Tonga maro ny mpijery ary nankafy ny lalao.
Lalao toy izao dia manampy amin’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny tanora sy ny ankizy ary ny fiarahamonina. Na dia eo aza ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa na fitaovana dia ny fitiavana ny baolina kitra sy ny finiavana no nahatonga ny mpandray anjara hanohitra ny sakana rehetra.
Be mpitia ny maillot-na baolina kitra any ambanivohitr’i Madagasikara. Izany dia endrika mampiseho ny fitiavana baolina kitra. Lasa akanjo mahazatra ny olona, ary ampiasaina ho an’ny fiainana andavanandro fa tsy amin’ny filalaovana baolina kitra fotsiny.
Mahavariana ny mahita ny olona eny an-tanàna manao maillot-n'ireo klioba iraisam-pirenena lehibe toy ny FC Bayern, FC Barcelona, Real Madrid, Paris Saint-Germain ary ny Chelsea FC. Tazana tsindraindray koa ny maillot-n’ny ekipam-pirenena malagasy Barea. Ny maillot amidy eny an-tsena dia mora lavitra noho amidy aty Europa. Izy ireny dia tsy mitovy kalitao amin'ireo maillot aty Europa.
Valo no isan'ny Ekipa mandray anjara amin'io dia ireto fokontany ireto: Beroboka, Belamoty, Mandroatsy, Lambokely, Tanandava, Anketrevo, Atsabora, Kirindy, Ampataka, Marofandilia ary Ankoraobato.
Nohon'ny fotoana efa akaiky dia hanomboka eo amin'ny ampahefa-dalana ny lalao. Amin'ny 25 desambra ho avy izao kosa ny antsapaka hahitana izay ekipa hifandona amin’izany.
I Edmond sy mpikarakara miaraka aminy dia efa nahazo ny fankatoavan’ny tompon’andraikitra ara-panatanjahantena any an-toerana sy ny lehiben’ny sekoly katolika ao Beroboka, izay mikarakara ny sakafo mandritra ny lalao.
Ny ekipan’i Beroboka sy ny mponina any an-toerana dia efa tena miandrandra mafy ity lalao baolina kitra ity.
Hanao tatitra momba ny fizotry ny fifaninanana izahay ato amin'ity pejy ity.
Es sind noch keine Einträge vorhanden.