Firaciny sy ny nenitoany Eliane

Ilay zazavavikely dimy taona Firaciny. Tsisy fantatra ny rainy. Maty nohon'ny aretina ny reniny tamin’ity taona ity, ka lasa kamboty izy.

 

Firaciny dia mipetraka ao amin'ny tranon'ny nenitoany Eliana, saingy sady efa manan-janaka enina koa i Eliane no tsy manana asa, ka tsy afaka ny hikarakara an'i Firaciny izy. Sarotra ho an'i Eliane ny hanefa azy any an-tsekoly.